Am-polo taona maro
No namakiana anao,
Sary mifangaro
No tao an-tsaina tao.
Nentinao nanofy
Teny ambony teny,
Ka afa-drofirofy
Ny fo mirenireny.
Nandroso ireny taona,
Ny ora nifandimby,
Kanefa teny foana,
Mipetraka ho tadidy...
...Ny asa-soratrao
Izay hotehirizinay,
Tsy avelanay handao
F'hitoetra eto aminay.
DadaRabe
Aix-en-Provence
06.03.04